<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>168</hymn_number>
<title>Ry Jeso! Ny Anaranao FFPM168</title>
<lyrics>[V1]
 Ry Jeso ! ny Anaranao
 Dia maminay tokoa ;
 Mihira sy miderà Anao
 Izahay navotanao.

[V2]
 Tsy takatry ny hevitra
 Ny fitiavanao :
 Tsy tambonay tononina
 Ny hasoavanao.

[V3]
 Ny tsara eran-danitra
 Sy eran-tany koa,
 Tsy azo anoharana
 Ny fitahianao.

[V4]
 Ho toy ny loharano e,
 Ny fonay olonao ;
 Tsy hanam-pitsaharana e,
 Ny hiderana Anao !</lyrics>
<author>H.J. Gauntlett</author>
</song>